FAMATSIANA RANO : Olana tsy mety voavaha

“Sasao matetika amin’ny rano madio sy savony ny tanana”, hoy ilay fanentanana heno sy hita manerana ny haino, vaky, jery maro eto amintsika amin’izao vanimpotoana isian’ny covid- 19 izao. Indrisy anefa fa mbola mitohy hatrany ny fahasahirana amin’ny fahazoana sy fitadiavana ilay rano antoky ny aina ho an-dRamalagasy. Manginy fotsiny ny olana amin’ny enti-manana hividianana ny savony.

Vilian-tsahona ?

Mikaikaika  ireo mponina eto an-drenivohitra sy ny manodidna noho ny fijaliana tsy roa aman-tany amin’ny fitadiavana ny rano ampiasaina ao an-tokantrano. Ny rano vokarin’ny Jirama moa zara raha mandeha. Anisan’ny nodradraina sy nankalazaina fatratra fa efa an-dalana ny fametrahana toby vaovao famokarana sy fanadiovan-drano maromaro manodidina ny Renivohitra. Anisan’ireny ny eny Amoron’Ankona Ambohimangakely izay efa am-bolana maro no nilazana fa efa vita ny asa saingy misy ny lesoka ara-teknika tsy mbola ahafahana mampihodina azy tanteraka. Mijanona ho toy ny vilian-tsahona malaza tsy hihinanana ireny foto-drafitrasa vaovao ireny hatramin’izao. Hany mba vahaolana hitan’ny avy eo anivon’ny orinasa Jirama ny fametrahana ireo sinibe manerana ny faritra maro eto Antananarivo sy ny manodidina.  Ny tsapa aloha, tsy mahavaly tanteraka ny filan’ny mponina amin’ny rano izy ireny fa vonjimaika ihany. Azo antoka tanteraka ihany koa ve anefa ny fahadiovana sy ny kalitaon’ny rano eny amin’ireny sinibe vatsian’ny fiara be mpitondra rano ireny ? Mila fandraisana andraikitra maika sy hentitra avy amin’ny Jirama ny fanaraha-maso ireo foto-drafitrasa noheverina fa hamahana ny olan’ny filan-dranon’ireo mponina fa tsy avela ho very anjavony tahaka izao. Mila fanazavana momba azy ireny ny mpanjifa. Ireto farany izay azo ambara fa namatsy vola betsaka tamin’ny fanajariana azy ireny. Sao azo heverina ihany koa anatin’izao vanimpotoana sarotra lalovana izao ny hanaovana ho “bôjy” (maimaimpoana) ny fakana rano eny amin’ireo sinibe napetraky ny Jirama mba ho tanteraka ara-bakiteny  tokoa ilay hoe : “Sasao matetika amin’ny rano madio sy savony ny tanana” ?

Vous aimerez aussi