FAHATAPAHATAPAN-JIRO ANY IHOSY : Nampisitrahan'ny "APTI" "Groupe électrogène", ny any an-toerana

Noho ny fiarahan’ny “Association Professionnelle des Transports d’Ihorombe” na ny APTI, tamin’ny “AFG Foundation” avy any Côte d’Ivoire, niasa, dia afaka misitraka jiro amin’ny alalan’ny “Groupe électrogène 1010 KVA”, ny any amin’ny distrikan’Ihosy any amin’ny faritra Ihorombe. Ity “Groupe électrogène 1010 KVA” ity izay entina hanampiana ireo efa misy an-toerana mba hamahana ny olan’ny fahatapahan-jiro. Ity fanomezan’ny “AFG Foundation-Groupe d’électrogène” ity araka izany dia fangatahana madiodion’ny “APTI” izay fikambanana tarihan’ny filohany, Conan Volcan, fa tsy fangatahana nataon’olon-kafa. Noho izany dia diso ny filazana fa avy amin’ny tompon’andraiki-panjakana avy any amin’ny distrikan’Ihosy, faritraIhorombe, ny fitaovana. Tsy tokony handainga araka izany ireo tsy tompon’antoka tamin’ny fanatontosana ny asa na hisora-tena fa avy aminy ny fahazoana ny “Groupe électrogène” ampiasaina any an-toerana. Mba manaova modely tahaka ahy, fa aza dia faly manenjika fotsiny. Tsy voatery hahazo toerana ihany koa vao afaka hanampy ny fitondram-panjakanan’ny fanavaozana izao. Ny talata 16 desambra 2025 no natolotra tamin’ny fomba ofisialy ity fitaovana hamahana ny olan’ny herinaratra any amin’ny distrikan’iIhosy ity, hoy hatrany ny fanazavan’ny filoha mpitantana ny “APTI”, Conan Volcan.

Vous aimerez aussi