FAHASALAMANA : Fametrahana ny "Fonds d'Urgence Sanitaire National" na ny fandraisan'ny Fitondram-panjakana an-tanana ny fitsaboana ireo olona mila vonjy aina maika amin'ireo hopitalim-panjakana eto Madagasikara

Nohamafisin’ny Filoha Andry Rajoelina hatrany fa ny fahasalamana no voalohan-karena, ary ny velirano izay nataony dia mametraka indrindra ho laharam pahamehana ny fahasalamana ho an’ny rehetra. Notanterahina ny zoma 15 oktobra 2021 teo tao amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny lanonana fanaovan-tsonia ho fametrahana ny “Fonds d’Urgence Sanitaire National” na ny fandraisan’ny Fitondram panjakana Malagasy an-tanana ny fitsaboana ireo olona mila vonjy aina maika eny amin’ireo sampandraharaha vonjitaitra eny anivon’ireo hopitalim-panjakana manerana ny Nosy.

Andrianina ny marary, hoy ny Filoha Andry Rajoelina, ary tokony ho karakaraina araka ny tokony ho izy, ka tsy tokony ho atao olana intsony eo amin’ny fitsaboana, ny tsy fananam-bola, fa tokony apetraka ny vahaolana maharitra. Araka izany, ny fitsaboana voalohany hatao amin’ny olona marary mila vonjy aina maika dia tsy handoavam-bola intsony manomboka izao. Efa ela no novolavolaina teo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izao tetikasa izao, ary efa mipetraka ny tetibola, fa androany ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy azy eto Madagasikara, hoy ny Filoha. Hisitraka izany avokoa ireo CHRR miisa 16, ireo CHRD miisa 99 ary ireo CHU 22 manerana ny Nosy.

Nohamafisin’ny Filoham-pirenena hatrany fa laharaham-pahamehana ho an’ny Fitondram-panjakana ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy ary porofo mivaingana amin’izany ireo fotodrafitrasa sy fitaovana maro isankarazany notsinjaraina manerana ny Faritra rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ireo CSB 2 miisa 100 mahery izay vita tao anatin’ny 24 volana izay, eo ihany koa ireo hopitaly manara-penitra miisa 13 izay efa tafajoro ankehitriny, ary ny fanavaozana sy ny fampitaovana ireo hopitaly efa nisy hatramin’ny ela, toy ny HOMI Soavinandriana, sns.

Vous aimerez aussi