Efa nilaza ny antoko DHD Madagasikara na “Dinan’ny maHa olona sy ny Demokrasia”, fa mpanohitra an’izao fitondrana mijoro izao ny antoko.. Nambaran’ny filohany, atoa Raharinaivo Rasamoela, fa noho ny foto-kevitra tsy mitovy no antony tsy nidirany ao amin’ny antoko RMDM, na dia samy mpanohitra aza. Izay foto-kevitra tsy mitovy izay mihitsy, hoy izy no tokony apetraka eny amin’ny rafi-piaraha-monina. Fa matetika rehefa manohitra dia mitady seza na/sy toerana. Tombotsoa an’iza anefa no arovana amin’izany?, hoy ny fanontaniana napetrany. Tokony ny tombotsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy no tokony ho jeren’ny fanjakana sy ireo antoko politika mpanohitra sy tsy mitovy hevitra ireo, hoy hatrany ny fanazavany.

