DEPIOTEN’I SOALALA : Nahazo fanampiana avy amin’ny fikambanana “African Welfare Organisation Mauritius”

Isaky ny 3 volana, dia mahazo fanampiana avy amin’ny fikambanana “African Welfare Organisation Mauritius” avy atsy amin’ny nosy Maorisy, ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Soalala, Faritra Boeny. Amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao, dia tonga ny sabotsy lasa teo, tao Mahajanga ny fanampiana avy tamin’ity fikambanana “African Walfare Organisation Mauritius” ity, izay nahitana sakafo toa ny vary, paty, menaka, sardine, voamaina, lojy na “Black eyes”, koba, sns…, izay hatokana ho an’ny olona 1.000. Teo ihany koa ny fanampiana momba ny fitafiana izay nahitana kiraro, lamba firakotra, arovava, akanjo, sns…, izay hatokana ho an’ny olona 7.000, ka ny solombavambahoakan’i Soalala, atoa Saîd Zakaniaina Mahafaly Joseph no nandray izany tamin’ny fomba ofisialy, izay notronon’ny solotenan’ny BNGRC.

Nomarihan’ny depiote, fa miara – miasa amin’ny fikambanam-behivavy « Mandroso Soalala » izay tarihin-dramatoa vadiny, ity fikambanana avy atsy Maorisy ity. Kaominina 4 mandrafitra ny distrikan’i Soalala no hahazo ireo fanampiana ireo, hoy hatrany ny depiote. Araka ny fanazavan’ity farany, dia hanao “Mada Raid” ny tenany no sady hizara ireo fanampiana ireo, izay atao mangaraharaha. Marihana, hoy izy, fa efa nahazo vary 200 gony avy amin’io fikambanana io ny depiote ary efa voatsinjara izany. Mousquée 5 ihany koa no efa nahazo fanampiana avy taminy, hoy hatrany ny tenany.

Farany, ny volana Oktobra lasa teo no tany Maorisy ny depiote mivady ary nifampiresaka tamin’ity fikambanana “African Walfare Organisation Mauritius” ity ary izao nahazo fanampiana izao, na sikilaonina io na rano miakatra, na valan’aretina Covid19 tahaka izao, dia tonga hatrany ny fanampiana azony. Miasa isan’andro ary tsy mandry alina, ary mikaroka izay mahasoa ny vahoakan’i Soalala hatrany ny solombavambahoaka Saîd Mahafaly Joseph Zakaniaina, hoy hatrany izy.

Vous aimerez aussi