Vao voatendrin’ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàmpanorenana (na HCC) ho Solombavambahoaka i Yvonne Razafindrazalia, vao herinandro lasa izay dia nosamborin’ny zandary ny alahady teo ary hiakatra Fitsarana Ambaratonga voalohany anio, taorian’ny fanadihadiana azy teny Fiadanana.
Voapanga ho nanampy tamin’ny fandosiran’ny vadiny
Anisan’ny niampangana azy ny fanampiany ny vadiny handositra. Efa namoahan’ny Fitsarana didy fikarohana sy fisamborana moa i Leva, ny herinandro lasa teo, satria nomen’ny Fampanoavana tao Toliary fahafahana vonjimaika.
Noho ny raharaha fanondranana hazo sarobidy, ny septambra 2017 dia nogadraina 5 taona an-tranomaizina i Leva. Mbola eo ihany koa ny fiampangana azy tamin’ny raharaha vonoan’olona samihafa ary noho ny raharaha fanosihosehana tany arovana.
I Yvonne Razafindrazalia vadiny no laharana faharoa amin’ny lisitra « Tsy miankina Leva » tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka farany teo, tao Mahabo ka naka ny toeran’ny vadiny, Ludovic Adrien Raveloson (na i Leva).
Tsy fantatry ny Antenimierampirenena
Araka ny fanambaran’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Christine Razanamahasoa dia tsy nampahafantarina ny mikasika izao fisamborana depiote izao ny tenany.
Asa na mbola azo iadian-kevitra ny amin’ny fizakana ny zo tsy azo ivalozana na tsy fahazoana manenjika depiote na ahoana.
Mety ho nisy firaisana tsikombakomba mialoha ny nahavoatendry azy ho Solombavambahoaka ve ny raharaha sa mety ho anton’ny fanampiana ny vadiny handositra tokoa ?
Araka ny fanambaran’ny mpanao famotorana dia raharaha mialoha ny nanendrena azy izao iampangana azy izao.
Andrasana ny tohin’ny tantara.


