44 no tranga vaovao voalaza tamin’ny fomba ofisialy tamin’ity andro ity fa voan’ny tsimokaretina coronavirus. Hita tao anatin’ny fitiliana miisa 341 natao izany.
Faritra 2 vaovao no nahitana izany dia Andilamena, nahitana tranga 3 ary Ambatondrazaka, nahitana tranga 1.
20 kosa no voatily tao Toamasina, 10 teto Antananarivo, ary 7 tao Moramanga.
Tsy voafaritra kosa ny toerana nisy ireo olona notilian’ny Centre d’Infectiologie Charles Mérieux (CICM), kanefa tena zava-dehibe ny fahalalan’ny mpanara-baovao izany, ahazoana mampitombo hatrany ny fitandremana.
Miakatra 586, araka izany, ny isan’ny tranga rehetra hatrizay.
Mitombo izaitsizy ny marary kanefa tsy nisy ny sitrana tamin’ity andro ity. Mitontaly 437, noho izany, ny isan’ireo tsaboina. Tsy nisy koa ny nanana toe-pahasalamana ahiana vaovao fa nijanona ho 6 ihany izy ireo. Ny maty moa dia tsy nisy intsony.
Mila ampitomboina ny fitiliana
Raha araka izao tarehimarika izao dia tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo olona mitondra ity coronavirus ity. Mihamiparitaka tsikelikely ihany koa ny Faritra ahitana ny olona voany.
9 340 fotsiny anefa ny fitiliana vita hatrizay, izay vitsy dia vitsy raha ampitahana amin’ny firenena afrikana hafa, toa an’i Zambie, nahavita 20 011, Djibouti nahavita 23 140, Rwanda 58 477, Maurice 102 247,…
Zava-dehibe ny fahamaroan’ny fitiliana vita, ahazoana mamehy haingana kokoa ny olona voany mba tsy hiparitahan’ny valanaretina haingana.
Ampy ho amin’ny fividianana fitaovam-pitiliana maromaro ve ny fanampiana avy any ivelany sa hanaovana zavatra hafa ny vola ?


