Vehivavy bevohoka iray no namoy ny ainy noho ny fitondrany ny valanaretina coronavirus. Avotra kosa anefa ny ain’ilay zaza. Izany no vaovao mampalahelo voalaza tamin’ny fomba ofisialy tamin’ity andro ity.
Anisan’ireo nanana fahasarotana tamin’ny fisefoana, noho ny tsimokaretina coronavirus ity vehivavy teny Anosy Avaratra ity. Na dia nanao ny fahaizany aza ireo mpitsabo tamin’ny fametrahana fitaovana nanampy azy tamin’ny fisefoana dia hafa ny navoakan’ny lahatra ; tsy tana ny ainy.
49 ny tranga vaovao
Miisa 49 kosa no tranga vaovaon’ny olona mitondra ny valanaretina, araka ny fitiliana miisa 336 natao.
Ny fitiliana nataon’ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM) tamin’ireo dia miisa 33, ka ny 28 voa dia tao Toamasina, 4 Antananarivo ary 1 Manjakandriana.
Tsy voasoritra kosa ny toerana misy ireo olona 16 notilian’ny Centre d’Infectiologie Charles Mérieux (CICM).
Mitontaly 957 izany no isan’ireo voa hatrizay.
Miisa 5 kosa ny isan’ireo sitrana tamin’ity anio ity. 200 izany no sitrana hatrizay.
Mbola manohy fitsaboina kosa ny olona miisa 750, izay mbola mijanona ho 9 amin’ireo no manana fahasarotana ara-pisefoana.
Ny maty kosa izany hatreto dia miisa 7.
Mitontaly 12 608 kosa ny isan’ireo fitiliana natao hatrizay.
Fepetra miaraka
Entanina hatrany ny fiarahan’ny rehetra mientana amin’ity ady amin’ny valanaretina ity. Raha tsy miara-mientana ny rehetra dia foana ny ezaky ny tsirairay.
Tsy ny fepetra tokana koa anefa no raisina fa ilaina ny fampiarahana azy telo dia ny fitondrana sarontava, ny fanasan-tànana matetika ary ny fielanelanana iray metatra.
Rehefa ireo no voahajan’ny isam-batan’olona dia mora ny miady amin’ny coronavirus.


