CORONAVIRUS : Tsy misy ny tranga vaovao

Tsy misy ny olon’ny vaovao tratran’ny otrikaretina coronavirus, araka ny valim-pitiliana natao tamin’ity andro ity. Noho izany, mijanona ho 102 ihany ireo voany, amin’ny ankapobeny.

Miisa 12 moa ireo efa sitrana tanteraka. Ary amin’ireo 90 mbola tsaboina kosa dia fantatra fa tsy misy ny marary mafy ka mety ho ilana fanampiana noho ny fahasemporana.

Amin’ireo 102 voan’ny otrikaretina ireo moa dia fantatra fa ny 56 no nitondra ny aretina avy any ivelany ary ny 46 sisa kosa dia nitondra izany tamin’ny fifaneraserana na ny fifampikasohana.

Na tsy mahery vaika aza ny fitombon’ny olona voan’ny otrikaretina eto amintsika dia azo lazaina tsy am-pihambahambana fa azo atao tsara ny mampihena ny tarehimarika raha samy manaja ny fepetran’ny fihibohana ny tsirairay.

Tsapa mivaingana izany tamin’ny fanarahan’i Italia ity fihibohana ity. Fantatra manko fa nihena 6% ny italiana voan’ity aretina noho ny fanarahan’izy ireo ny fihibohana nandritra izay iray volana izay.

Ankoatra izany dia zava-dehibe ny manaraka ny fepetran’ny fahadiovana amin’ny alalan’ny fisasan-tànana.

Vous aimerez aussi