CORONAVIRUS : Tranga vaovao 43 androany

43 no isan’ny tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina coronavirus, voambara tamim-pomba ofisialy androany, araka ny fitiliana natao omaly nanomboka tamin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva.

Ny 38 tamin’ireo dia tranga tao Toamasina avokoa. 5 kosa teto Antananarivo, na ny marimarina kokoa 4 tao Anjanahary ary 1 tao Manjakaray.

448, araka izany, ny isan’ny tranga nisy hatrizay teto amintsika.

Araka ny vaovao ofisialy ihany dia miisa 4 kosa ireo sitrana androany, ka mitontaly 135, noho izany ny isan’izy rehetra hatrizay.

311 kosa ireo an-dàlam-pitsaboana, ka 2 ao Toamasina no manana toe-pahasalamana mananosarotra.

Na izany aza, tsy misy atahorana loatra ny aminy. Ny maty kosa tsy nisy.

Mitontaly 312 ny isan’ny fitiliana natao ka nahitana ity tarehimarika vaovao ity. Ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM) sy ny Centre d’Infectiologie Charles Mérieux (CICM) moa no nanao ny fitiliana azy ireo.

Tsy miova ny fepetra

Na eo aza ny fihanaky ny valanaretina dia tsy tokony hiova fa mainka aza hamafisina ny fepetra fiarovana ho enti-mandresy ity valanaretina ity.

Mila ampitomboina ny fanasan-tànana, tsy alana mihitsy ny sarontava ary arahina ny fielanelanana 1 metatra.

Rehefa voahaja ireo dia tsy misy tokony hampatahotra ny fiadiana amin’ny aretina.

Soa fa hita ireny tranga vaovao ireny ahazoana mitsabo azy haingana mba tsy hifindrany amin’ny hafa sy hiparitahany amin’ny faritra hafa indray.

Noho izany tsy natao hampivarahontsana ny fandrenesana ny fisian’ny tsimokaretina atsy na aroa. Mainka aza natao hanamafy ny fitandremana izany.

Vous aimerez aussi