1 no sitrana tamin’ny aretina coronavirus tamin’ity alatsinainy 04 mey ity. Tsy misy kosa ny olona hafa vaovao voa.
Araka izany dia mitontaly 151 ny isan’ireo voan’ity aretina ity hatrizay. 99 kosa no isan’ireo sitrana.
Miisa 60 indray izany izao ny olona tsaboina.
3 772 no vita fitiliana
Miisa 3 772 no isan’ny olona rehetra voatily hatramin’izay.
Mitohy, noho izany, ny fanaovana izany fitiliana izany. Eo koa ny fanadihadiana samihafa atao, satria efa fifindran’aretina avy amin’ny fifampikasohana no misy.
Koa anisan’ny iharan’izany voalohany ireo ankohonana sy fianakavian’ireo efa voa ireo. Eo ihany koa anefa ireo izay nifanerasera akaiky taminy, toy ny mpiara-miasa sy mpiara-mianatra,…
Manadihady
Manana andraikitra lehibe amin’ny fanampiana ireo mpitsabo manao fitiliana, araka izany, ny Lehiben’ny Fokontany, ahazoana mijery akaiky ireo olona nifanerasera tamin’ireo efa voa. Tahaka izany koa ireo tompon’andraikitra any am-piasana sy any am-pianarana,…
Ilaina indrindra koa anefa ny fahatsiarovan-tenan’ireo efa voa ka hilaza ireo olona nifampikasokasoka taminy.
Sarontava
Mbola anisan’ny zava-dehibe iarovana ny tsi-fiparitahan’ity otrikaretina ity ny fanaovana sarontava. Eny fa na dia ao an-tokantrano ao aza.
Mety tsy ho fantatra velively manko ny olona mitondra ny otrikaretina satria salama lalandava izy.
Koa ilaina indrindra ny sarontava, indrindra amin’izao vanim-potoan’ny ririnina izao, satria mety ho betsaka ny soritraretina mitranga.
Raha misy moa ny ahiahy dia mila antsoina ny laharana 913. Ho an’ny fanontaniana samihafa kosa ny 910.


