Tranga vaovao miisa 34 no nambara tamim-pomba ofisialy tamin’ity anio ity fa voatily. 24 ny tao Toamasina, 10 tao Moramanga ary tsy nisy teto Antananarivo. 139 no isan’ny fitiliana natao tamin’izany.
Mitontaly 405, araka izany, ny tranga rehetra teto amintsika.
Tsy nisy kosa no sitrana ka mijanona ho 131 ihany izany ny isan’ireo efa nivoaka ny hopitaly. Tsy nisy ihany koa ny maty.
Miakatra ho 272 kosa ny isan’ireo an-dalàm-pitsaboana ka 1 no manana toe-pahasalamana somary manahirana.
Tonga ny hatsika, mila mitandrina !
Hita amin’izao fa tsy mitsaha-mitombo ireo voan’ity aretina coronavirus ity, kanefa efa tonga ity ny vanim-potoan’ny ririnina izay misy ny hatsiaka mampirongatra ity otrikaretina ity.
Maharitra kokoa ny fotoam-pahaveloman’ity otrikaretina ity rehefa mahazo hatsiaka sy mandomando. Noho izany, ilaina ny fitandremana satria mahazo aina kokoa io tsimokaretina io amin’ny fotoana tahaka izao.
Tsy mampatahotra velively anefa izany rehefa voaray sy arahina tsara ny fepetra rehetra.
Ahazoana aina, noho izany, ny fanaovana sarontava mba tsy hidiran’ny hatsiaka amin’ny orona. Koa mila tohizana io fahazarana tsara miaro ny orona sy ny vava io.
Kanefa koa miaro amin’ny tsi-fiparitahan’ny aretina ny fanaovana hatrany ny sarontava.
Ilaina indrindra koa anefa ny mihinana sakafo madio na rano mafana hatrany.
Ary tsy tokony hadino ny fanasana tànana matetika dia matetika sao mijanona maharitra amin’ny tànana ny otrikaretina samihafa, izay nentina avy tany ivelany tany.


