Nitombo roa (2) indray ireo voan’ny valanaretina coronavirus. Fantatra izany tamin’ity andro ity, taorian’ny fitiliana nataon’ny Institut Pasteur eto Madagasikara azy ireo.
Nisy ny fampiantsoana ireo olona miisa 60, izay nifampikasokasoka tamin’ireo voan’ity tsimokaretina ity, tamin’ny sidina MD 51, nigadona teto an-tanindrazana ny 18 marsa lasa teo.
Rehefa natao ny fitsirihana azy ireo dia io namoaka ny valiny io. Roa no voa.
Araka izany, nisondrotra 19 izany ireo olona mitondra ny tsimokaretina eto amintsika. Tsy mbola misy kosa ny namoy aina noho izany.
Hajaina ny fepetra
Na dia misondrotra hatrany aza ny isan’ireo voan’ny tsimokaretina dia tsy mbola eo anivon’ny fetra mampatahotra ny eto amintsika.
Mba tsy ahatongavana amin’izany dia mbola azo ferana tsara ny tsy hitomboan’izany tsimokaretina izany raha samy mandray ny fepetra avy ny tsirairay.
Anisan’izany indrindra ny fijanonana an-trano ka olona iray ihany no manao ny raharaha tokony hivoahana.
Ferana ny eny an’arabe
Manoloana izany dia nametraka fepetra ihany koa ny avy amin’ny Ministeran’ny Atitany. Tsy azo atao ny mifamoivoy eny amin’ny arabe. Raha misy ny antony lehibe tsy maintsy hanaovana izany dia olona iray (1) ihany no afaka mitaingana moto ary ny fiara kosa dia olona roa (2).
Ny fiara fitaterana rehetra kosa dia raràna tsy mahazo mihetsika avokoa. Ny fakana ny taratasy momba ny fiara sy ny « licence » no sazin’izay manohitra izany.
Azo noleferina ny omaly, hoy ny Minisitra satria azo lazaina ho tampoka ny tamin’iny.
Tsy azo ivezivezena koa ny alina
Ny amin’ny famerana ny fivezivezena mandritra ny alina kosa (amin’ny 8 ora ka hatramin’ny 5 ora maraina) dia hisahina ny fanaraha-maso izany ny avy amin’ny Ministeran’ny Fiarovana.
Ho henjana ny sazy miandry izay minia mandika ny fepetra tokony harahina.
Ireo voatery tsy maintsy hivezivezy (ankoatra ny mpiasan’ny fahasalamana, ny mpanao gazety,…) kosa dia mila mangataka taratasy fahazoan-dàlana manokana, amin’ny laharana 034 81 627 52.
Fepetra tsotra
Heverina fa tsotra sy mora arahina izany fepetra noraisin’ny tompon’andraikitra samihafa izany.
Averina hatrany fa anisan’ny zava-dehibe enti-mandresy ny fipariahan’ity tsimokaretina ity ny fanarahana ny fepetra tsy ivorivoriana.
Anjaran’ny tsirairay hatrany ny mitandro ny fahadiovana.


