Miisa 6 indray ireo olona voan’ny tsimokaretina coronavirus voatily tamin’ity andro ity. Ny 3 amin’izy ireo no eto Antananarivo, ny 3 hafa kosa dia any amin’ny Faritra Atsinanana.
Mitontaly 117, araka izany, ny isan’ireo voan’ity tsimokaretina ity, hatrizay, eto amintsika.
Noho izany, miisa 84 ireo tsaboina eny amin’ny hopitaly ankehitriny.
Fifampikasohana
Araka ny fampitam-baovao ofisialy dia noho ny fifampikasohana avokoa no nahazoan’ireo olona 6 vaovao ireo ny tsimokaretina. Midika izany fa miha-mihanaka hatrany ny otrikaretina noho ny fifaneraserana.
Tsotra ny toromarika
Tsotra anefa ny iadiana amin’ity otrikaretina ity dia ny fanajana ny toromarika ihany, indrindra ho an’ireo olona tsy maintsy mivoaka ny trano : Anaovy ny saro-tava, manasà tànana matetika, indrindra rehefa avy any ivelany, hajao ny elanelana iray metatra, fadio ny mandrehoka sy mandrora eny amin’ny tany,…
Sakafo ara-pahasalamana
Ilaina ny fanadiovana ny sakafo ary mila andrahoina tsara izy ireny. Mba ahafaty ny otrikaretina dia zava-dehibe ny mihinana izany sakafo izany mafana ao anatin’ny lovia sy fitaovana voasasa tamin’ny savony.
Tsy tokony hadino ny manatonotono ny mofodipaina mba hahafaty ny otrikaretina, satria betsaka ny tànana efa nandray azy iny. Zava-dehibe indrindra koa ny fisotroana rano mafana matetika.


