Olona miisa 9 indray no voatily androany fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto amintsika. Noho ny fifampikasohana no nahazoan’ny 8 amin’izy ireo ny aretina. Ny 1 no olona avy any ampita.
Araka ny famaritana kosa dia ny 3 amin’izy ireo no eto Antananarivo ary ny 6 kosa dia ao Toamasina.
Noho izany, mijanona ho 11 ihany no sitrana ary 91 no manohy ny fitsaboana.
Tsapa, araka ny tarehimarika fa misondrotra ny olona voan’ity tsimokaretina ity noho ny fifampikasohana. Hatreto anefa dia tsy mbola voafehin’ny maro loatra ny fihibohana an-trano, indrindra ho an’ny eto an-drenivohitra.
Mila mahatsapa anefa ny rehetra fa arakaraka ny tsy fandraisan’ny tsirairay andraikitra no hampitombo hatrany ity fe-potoana fihibohana ity.
Dia asa izay hanjo ny maro raha hitombo indray ny andro fihibohana ka tsy hizotra amin’ny ara-dalàna ny asa fiharian’ny isan-tokantrano.
Arakaraka ny fivoahana ny trano anefa no hampitombo hatrany ny fiparitahan’ity tsimokaretina ity.


