5 indray ireo olona voan’ny otrikaretina coronavirus ka sitrana tamin’ity andro anio ity. Araka izany, mitontaly 7 ireo olona nandresy izany valanaretina izany hatreto.
Koa nivoaka ny hopitaly nitsaboana azy avy izy ireo. Ny 2 notsaboina tany Anosiala, 2 ihany koa ny teny Andohatapenaka ary ny 1 teny amin’ny Polyclinique Ilafy.
Niakatra ho 88 kosa ireo voa. Raha niampy 3 ireo 82 voa omaly hariva dia niampy 3 ihany koa izany tamin’ity andro anio ity.
Amin’ireo 88 ireo kosa anefa dia iray ihany no tojo ny fahasemporana, kanefa efa mahazo ny fitsaboana sahaza izany izy amin’izao fotoana izao.
Amin’ireo tranga 6 vaovao ireo dia voalaza fa efa mahazo fitsaboana eny amin’ny hopitaly ihany koa izy ireo. Ka ny 3 eto Antananarivo ary 3 hafa kosa any Toamasina.
Ho an’ireo 88 voa ireo àry dia nomarihin’ny Profesora Vololontiana Hanta, mpitondra teny, fa ny 54 amin’izy ireo no voan’ny aretina avy any ampita. Ny 34 sisa kosa dia noho ny fifampikasohana.
Araka izany tarehimarika izany dia fantatra fa miha-mitombo isa ny tranga noho ny fifampikasohana. Mila fitandremana lalina, noho izany, ny tsirairay ka tokony handray ny fepetra hatrany.
Ny fihibohana an-trano no fiadiana tsotra sy voalohany indrindra. Ny fitondrana tampim-bava sy ny fanajana ny elanelana iray metatra kosa ny faharoa.
Tsy ny vahoaka ihany no entanina ho amin’izany fa tokony handinika lalina ihany koa ny Fitondrana, izay mampisy fivorivoriana isan’andro vaky. Na filaharana fanampiana na tsena mora na fiondranana an-taksibrosy na amin’ny fiaramanidina,….izany.


