Nitombo 4 ireo olona mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto amintsika, araka ny vokatra azo tamin’ireo olona 146 natao fitiliana, tamin’ity alatsinainy ity.
Ny 3 amin’izy ireo dia eto Antananarivo, mponina eny Ambaniala Itaosy sy eny amin’ny 67 Ha. Ny olona 1 fahefatra kosa dia any Taolagnaro.
Mitontaly ho 128, araka izany ireo olona voa sy efa voan’ity aretina ity.
75 kosa ireo efa sitrana tanteraka raha 53 sisa no manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly.
Tsy misy kosa anefa ny soritraretina mampiahiahy be amin’ireo tsaboina ireo.
Mitombo isa ny voa noho ny fifampikasohana
Raha 56 no isan’ny olona voa avy any ampita dia mitontaly 71 kosa hatreto ireo voa noho ny fifampikasohana teto an-toerana.
Manoloana izany indrindra no nanaovana antso avo ireo mpandeha miisa 11 tamin’ny taksibrosy niala teto Antananarivo nankany Toamasina, ny 08 aprily lasa teo.
Nisy manko ny tranga nahiana tamin’ny mpandeha niaraka tamin’izy ireo ka ilaina maika ny fanoloran-tenan’izy ireo hamonjy toeram-pitsaboana mba hanaovana fitiliana.
Famonoana ny tena sy ny hafa
Famonoana ny tena sy famonoana ny hafa koa ny tsy fahatongavan’ireo olona nantsoina ireo. Hiparitaka vetivety eny anivon’ny fiaraha-monina eny manko ny tsimokaretina raha toa tsy voafehy avy hatrany eo amin’izy ireo izany.
Heverina fa ny olona ananana ahiahy tahaka izany kanefa tsy mankeny amin’ny tobim-pahasalamana no mendrika ny sazy henjana indrindra.
Tokony homena fe-potoana araka izay haingana indrindra izy ireo na koa loarana any amin’ny tokantrano misy azy tsirairay avy any.


