CORONAVIRUS : Mitombo 4 indray ireo voa vaovao

4 indray no isan’ireo olona vaovao voatily tamin’ireo 72, ho mitondra ny tsimokaretina coronavirus tamin’ity andro zomà ity.

2 kosa indray no afaka namonjy ny tokantranony noho ny fahasitranany. 94, araka izany, ny tontalin’ireo sitrana hatrizay, raha 132 kosa ireo efa voa sy voa.

38 izany sisa no mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly eny, izay soritana fa tsy manana soritraretina ahiana loatra.

Vehivavy eto Antananarivo

Araka ny fanambarana ofisialy dia vehivavy avokoa ary samy monina eto Antananarivo ireo 4 voa vaovao ireo ary samy efa tsaboina eny amin’ny hopitalin’i Befelatanana ihany koa.

Ny 2 amin’izy ireo no manana soritraretina, toy ny kohoka, misy lelo,…Tsy misy izany kosa ny 2 hafa.

Tsy voasoritra mazava kosa ny Fokontany misy ny tsirairay avy.

Ny taonany dia 58, 47, 44 ary 27 taona.

Fifampikasohana

Noho ny fifampikasohana avokoa no nahazoan’izy ireo ny otrikaretina. Ilaina, noho izany, ny ahafantarana ny fonenan’izy ireo, ahazoana manao fitandremana bebe kokoa sy ahazoana misoroka ny fiparitahana.

Azo lazaina ho tsy ampy ihany ny vaovao ampitaina satria zava-dehibe amin’ny rehetra ny fahalalana ny toeram-piasan’izy ireo na ny sekoly ianarany, ….afahana mampitombo ny fahamailona.

Mitandrina hatrany

Na izany aza, tokony hananan’ny tsirairay hatrany ny fitandremana. Tsy adino indrindra ny sarotava sy ny fisasan-tànana. Ny piti-drora sendra mipetraka eny amin’ny vy na hazo na lamba,…manko dia efa ampy hifindran’ny otrikaretina.

Koa ny rano sy savony ampiasaina matetika no afaka mamono izany, ankoatra ny fanasan-tànana manokana ho amin’izany.

Vous aimerez aussi