Tsy nisy ny maty. 2 no sitrana. 72 ireo voan’ny aretina, ka 32 vehivavy ary 40 lehilahy. Ny 51 amin’ireo dia avy any ivelany. Ny 21 kosa noho ny fifampikasohana, izay ny 4 any Fianarantsoa, 2 Lalangina, 3 Toamasina ary 12 eto Antananarivo.
Ireo no anisan’ny tatitry ny Filoham-pirenena nandritra ny nanambaràny ny dingana vita nandritra ny roa herinandro voalohany nanaovana ny fihibohana.
Mitohy hatrany ny fepetra
Mitohy hatramin’ny 19 aprily kosa ny hamehana ara-pahasalamana. Misy, araka izany, ny fepetra noraisina mba hamehezana ny valanaretina :
Mbola mikatona ny toeram-pianarana rehetra sy ny toeram-pivavahana ary ny famoriam-bahoaka toy ny karaoke sy ny fandihizana.
Raràna koa ny famoriam-bahoaka mihoatra ny 50.
Ankoatra ny fifamezivezen’ny fiara dia mbola tazomina hatrany ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina (na ny couvre feu).
Afaka mody ao anatin’ny 3 andro
3 andro kosa no omena ireo izay te-hamonjy fodiana any amin’ny Faritra samihafa. Hisy ny fandaminana manokana momba izany, eo amin’ny taksibrosy sy ny fiaramanidina. Tsy maintsy arahina kosa ny fepetra rehetra, toy ny fanaovana fitiliana, ny fahadiovana,…
Koa manomboka amin’ny 5 ora maraina ka hatramin’ny 11 ora antoandro no ahazoana manao izany.
Tsy maintsy misarom-bava
Ho an’ny Faritra Analamanga sy Atsinanana ary Matsiatra Ambony dia mitohy ny fihibohana ary tsy maintsy manao sarom-bava ny rehetra, na ny voa na ny tsy voa, rehefa mivoaka ny trano.
Ireo manana soritraretina rehetra dia iangaviana avy hatrany hanatona tobim-pahasalamana ahazoana mahafantatra haingana raha mitondra otrikaretina izy ireo na tsia.
Rafitra vaovao eny amin’ny Fokontany
Hisy ny rafitra vaovao hajoro eny amin’ny Fokontany, izay atao hoe Loharano.
Hisy, ao anatin’izany, ny vaomieram-pahasalamana hanampy amin’ny fitiliana isam-baravarana.
Hiainga eny ifotony, araka izany, ny ady rehetra hiatrehana sy hamehezana ity valanaretina ity, ka tokony hisy olona tsara sitrapo 6 isaky ny faritra (na ny secteur) mba hiara-hisalahy amin’ny Sefom-pokontany.


