CORONAVIRUS : Mihoampampana ny tranga eto Antananarivo

89 indray ny tranga vaovao voatily tamin’ity andro ity, ka ny 88 dia teto Antananarivo avokoa.

Miakatra dia miakatra, araka izany, ny isan’ny olona voan’ity valanaretina ity eto an-drenivohitra. Mitontaly 2303 izany ny isan’ireo voa hatrizay eto amintsika.

12 kosa no sitrana androany, ka ny 9 teto Antananarivo, ny 2 Alaotra Mangoro ary 2 Ambatovy. 1006 izany no sitrana hatrizay.

Miisa 1275 kosa ireo mbola tsaboina, ka ny 32 no manana fahasarotana ara-pahasalamana.

Miisa 2 kosa no nodimandry androany, izay mahatonga ny tarehimarika ho 22.

22 348 kosa ny isan’ny fitiliana vita hatramin’izay.

393 ny fitiliana vita

Miisa 393 ny isan’ny fitiliana vitan’ny laboratoara roa (IPM sy La2M) androany ka nahitana ireo voa 89 ireo. Mbola lavitra ny isa 1000 tokony ho tratrarina izany. Iniana tsy hampitomboina ve ny isan’ny fitiliana atao mba tsy hahakivy ny vahoaka ? sa mba hahamora ny filazana fa mbola voafehy ny aretina ?

Mamita-bahoaka ihany ny tompon’andraikitra raha toa ka misy ihany ny fomba ahazoana mampitombo ny fitiliana kanefa tsy hatao izany.

Eo am-piandrasana ny ezaka rehetra dia mila hentitra hatrany ny fiarovan-tena tokony ho raisin’ny tsirairay na marefo na matanjaka , satria tsy mifidy asiana ity tsimokaretina ity.

Vous aimerez aussi