Niampy efatra (4) indray androany no voatily fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus. Ny telo (3) tamin’izy ireo no eto Antananarivo ary ny iray (1) kosa any Toamasina.
54, araka izany, ny tontalin’ireo voa eto amintsika.
Araka ny fanamarihana dia noho ny fifaneraserana avokoa no nahazoan’izy ireo ny valanaretina. Izay tsy ireo tonga avy any ivelany teo anelanelan’ny 11 ka hatramin’ny 19 marsa akory fa tamin’ny malagasy teto an-toerana ihany, izay nifanerasera tamin’ilay vazaha mpizahatany teto.
Vehivavy malagasy 43 taona, mipetraka eto Antananarivo ny iray amin’izy ireo. Lehilahy 13 taona, mipetraka eto Antananarivo koa ny faharoa. Ny fahatelo dia lehilahy 49 taona, monina eto Antananarivo ihany. Ary ny fahefatra farany dia lehilahy 30 taona, monina any Toamasina.
Na dia samy tsy misy soritraretina aza ireo telo eto an-drenivohitra dia samy efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly avokoa.
Fifampikasohana
Voamarika, araka izany, fa misoko mangina ny fifindran’ny otrikaretina amin’ny fifampikasohana. Koa entanina hatrany ny fihibohana ao an-trano mba tsy hiparitahan’ity aretina ity.
Tsy mitsaha-mivoatra na dia vitsy aza no voan’ny otrikaretina. Izany indrindra no anton’ny handraràna ny olona mba tsy hivoaka ny trano, satria tsy hita ho difiana ilay otrikaretina.
Entanina hatrany koa ny fahadiovana amin’ny fidiovana, isaky ny miditra ao an-trano.


