CORONAVIRUS : Andriano ny mpiasan’ny fahasalamana

Raha misy ny olombelona miatrika ady mafy amin’ity valanaretina ity dia ny mpiasan’ny fahasalamana no voalohany.

Nisy anefa ny vanim-potoana nampitaraina azy ireo noho ny tsy fahampian’ny fitaovana entin’izy ireo miatrika ny asa ataony andavanandro. Na nisy aza ny tablie, aron-tava, aro-tànana, aro-tongotra,…nomena azy ireo dia tsapa fa vitsy ary tsy manara-penitra velively izy ireny.

Raha azon’izy ireo natao ny nitokona dia efa natao izany saingy tsy manaraka ny fepetran’ny fitsaboana izany ka tsy maintsy natrehina ihany ny asa.

Nampiana ihany saingy…

Nisy ihany ny fahatsiarovan-tenan’ny Fitondrana ka notolorana ny fitaovana sahaza izy ireo, satria ny fanampiana avy any ivelany misy rahateo. Teo ihany koa ny fanomezan’ireo malala-tànana.

Nomena  tambin-karama manokana ihany koa  ary nomena fiara fitaterana.

Saingy noho ny firosoana tamin’ny fepetra vaovao ka nisian’ny taxibe nandray ny asany dia nofoanana ny fitaterana  ireo mpiasan’ny fahasalamana ireo.

Eo indrindra no mampiverina ny tarainan’izy ireo satria tokony ho notohizana izany fitaterana azy izany.

Anisan’izany indrindra ny fahalaviran’ny eny Anosiala. Misy koa anefa ny lavi-podiana na dia miasa ety an-drenivohitra aza.

Hamehana ara-pahasalamana

Ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra any ivelany any manko da hatsaraina sy ampitomboina hatrany ny tombotsoa omena ny mpiasan’ny fahasalamana noho ny ady mafy hatrehiny amin’izao vanim-potoana izao. Ny antsika kosa toa mihemotra izany. Nalana indray ny tombontsoakely momba ity fitaterana ity.

Tokony heverina hatrany anefa fa mbola ao anatin’ny « hamehana ara-pahasalamana » ny firenena.

Vous aimerez aussi