6 indray no voatily ho mitondra ny soritraretina coronavirus androany, ka ny 4 amin’izy ireo dia tsy misy soritraretna. Ny roa hafa koa anefa tsy misy ahiana ny fahasalamany avy.
Efa-dahy izy ireo ary roa vavy. Samy tanora avokoa ary noho ny fifampikasohana no nahazoan’izy ireo ny otrikaretina. Araka izany dia efa notiliana avokoa ireo nifanerasera taminy ary andrasana ny valin’izany.
Araka izany dia tafakatra 65 ny isan’ireo olona mitondra ity otrikaretina ity eto amintsika. Nanterin’ny Profesora Vololoniana Hanta anefa fa salama tsara avokoa izy ireo, eny na ireo zaza 2 voany aza. Efa tsy nahitana fahasemporana intsony ireo nanao izany teo aloha.
Mitohy hatrany kosa anefa ny fitsaboana azy rehetra ireo.
Tetezan’i Bekiraro
Noho ny tranga niseho tamin’ny fifampikasohana dia nalaina avy hatrany ny fepetra rehetra ka anisan’ny hanaovana ny hetsika manokana, amin’izao fotoana izao, ny eny Bekiraro. Teny manko no nisehoan’ny famindrana ara-pikasohana voalohany ka ilaina ny fandraisana haingana ny fepetra.
Nisy, araka izany, ny fanadiovana ny teny an-toerana sy fiantsoana ny olona ahiana ho manana otrikaretina.
Fiaraha-mientana
Mba tsy hampihanaka ity valanaretina ity dia takiana amin’ny tsirairay ny fiaraha-mientana. Ilaina ny fifanampiana sy fifankaherezana. Toy izany koa anefa ny fiombonam-panahy ka italahoana mba tsy hiely loatra ity valanaretina ity.
Tokony hajaina hatrany ny fepetra iarovana amin’ny manodidina sy ny mpiara-monina.


