CORONAVIRUS : 6 indray no sitrana, 2 no tranga vaovao

Niampy 2 ireo olona voan’ny otrikaretina coronavirus,  araka ny valim-pitiliana nivoaka tamin’ity andro ity. Mitontaly 110, araka izany, ny voany hatrizay.

Misy koa anefa ireo sitrana, izay misy 6, tamin’ity andro androany ity ihany. Mitontaly ho 29 kosa, araka izany ireo sitrana.

Noho izany, 81 sisa no tsaboina eny anivon’ny toeram-pitsaboana samihafa eny.

Fifampikasohana

Samy fifampikasohana no nahazoan’ireo olona roa ireo ny otrikaretina. Ary samy mponina eto Antananarivo izy ireo.

Ilay lehilahy 39 taona dia monina eny Antetezanafovoany ary ilay vehivavy 60 taona kosa dia mponina eny Faravohitra.

Mazava ho azy, araka izany, fa efa eny ho eny ity tsimokaretina ity. Tsy mifidy hifindrana fa mety hahakasika ny mpiara-monina rehetra.

Ny fihibohana sy ny tsy fampandrosoana vahiny ihany dia ampy tanteraka ho fanafody tsy hiparitahan’ny tsimokaretina.

Vous aimerez aussi