CORONAVIRUS : 40 ny tranga vaovao, 35 no sitrana

Tranga vaovao miisa 40 indray no voalaza tamim-pomba ofisialy androany, araka ny fitiliana miisa 100 nataon’ny IPM sy ny CICM.

Tsy voafaritra mazava ny misy azy ireo fa voalaza ho teto Antananarivo sy Toamasina ihany.

Miisa 1443 izany ny isan’ireo voa hatrizay.

35 indray kosa no sitrana androany, ka ny 12 teto Antananarivo, ny 23 tany Toamasina. Mitontaly 498 izany ireo sitrana hatrizay.

Miisa 933 ireo mbola tsaboina ka ny 6 amin’ireo no manana fahasemporana.

Miisa 17 905 kosa ny isan’ny fitiliana vita hatramin’izay. Ary mijanona ho 13 ny isan’ireo maty.

Mila miarotena ny tsirairay

Na hita ho mitombo hatrany aza ny isan’ireo sitrana isan’andro dia tsy mifanalavitra amin’izany koa ny isan’ireo voa.

Tsy tokony hianina fotsiny amin’ny fitiliana vitsivitsy anefa ny tompon’andraikitra satria tsapa fa efa mihanaka amin’ny faritra maromaro ity valanaretina ity.

Ambonin’izany, mila fikarakarana araka ny tokony ho izy ireo marary mba tsy hamindrany amin’ny hafa indray.

Izay marary andrianina, hoy ny fitenenana, ka tokony ho mendrika hahazo fitsaboana sy sakafo sahaza izy ireo.

Vous aimerez aussi