4 tamin’ireo narary indray no sitrana ka nivoaka ny hopitaly nitsaboana azy androany. Ny 3 tao amin’ny hopitalin’i Toamasina ary ny 1 kosa teny amin’ny hopitalin’Anosiala.
Araka izany, mitontaly 11 ireo sitrana rehetra hatrizay.
5 kosa ireo tranga vaovao voatily hatramin’ny omaly hariva, ka ny 4 dia noho ny fifampikasohana, izay 2 eto Antananarivo ary ny 2 hafa any Analanjirofo.
Ny 1 fahadimy kosa dia nitondra ny otrikaretina avy any am-pita.
Miisa 88 izany sisa no tsaboina raha ialan’ireo efa sitrana ka samy mbola eny amin’ny hopitaly avokoa izy ireo.
Ny 1 tamin’ireo no naneho fahasemporana saingy efa voafehin’ny mpitsabo izany ka tsy misy ahiana loatra intsony ny toe-pahasalamany.
Na mitombo tahaka izany aza ireo sitrana dia tsy avelan’ny otrikaretina tsy hitombo koa ny voany. Koa mba tsy hisangiana amin’izany tarehi-marika izany dia ilaina hatrany ny fifehezana ny tsy hiparitahan’ny otrikaretina.
Ny fanarahana ny fepetra atolotry ny tompon’andraikitra no zava-dehibe na eo aza ny tsy fifehezana ny tangoron’olona samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.


