CORONAVIRUS : 2 no sitrana ary efa namonjy fodiana

Mitotaly 72 no voatily voan’ny tsimokaretina coronavirus. 2 kosa no efa sitrana tanteraka ka efa nihazo ny ankohonany. Ireo no tarehi-marika azo farany navoakan’ny CCO Ivato, mikasika ity tsimokaretina ity, eto amintsika.

Araka izany dia 69 sisa no tazomina eny amin’ny tobim-pahasalamana manerana ny Nosy.

Ho an’ny tranga farany kosa dia voalaza fa tovovavy 21 taona izy io ary avy any am-pita. Ny 17 marsa lasa teo izy no  nigadona teny Ivato, tamin’ny sidina AF 934. Efa natoka-monina izy nanomboka ny 27 marsa teo ary efa voazaha fa tsy misy soritraretina.

 Andalam-pahasitranana ny maro

Nanterin’ny Pr Vololoniana Hanta, mpampita ny vaovao kosa fa tsy misy ahiana ny toe-pahasalaman’ireo atoka-monina.

Ny 58 amin’izy ireo aza dia tsy ahitana soritraretina mihitsy. Ny 11 sisa misy soritraretina kosa anefa dia samy miaina ara-dalàna tsy misy fahasemporana avokoa.

Nanterin’ny Profesora ihany koa fa tsy atahorana hamindra intsony ireo efa sitrana satria efa nisy ny fizahana azy ireo in-droa miantoana. Mila maka ny fepetra rehetra ihany koa anefa izy ireo, toy ny fihibohana an-trano,…sy ny fakana aina, satria tahaka ny olona avy narary rehetra.

Fehezina ny tsy hiparitahany

Amin’ny ankapobeny, araka izany, dia tsy misy ahiana ny amin’ireo mitondra otrikaretina. Na izany aza, mila fehezina ny tsy tokony hiparitahany na dia efa misy tsirairay aza eny amin’ny Faritra vitsivitsy.

Ny fanatonana ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana no voalohany tokony hatao raha misy seho hafahafa.

Ny fakana fanapahan-kevitra diso aoriana loatra no nampihanaka be ity valanaretina ity tany amin’ireo firenena hafa. Mbola azo fehezina tsara ny eto amintsika, indrindra raha samy manaraka ny fepetra ny tsirairay.

Vous aimerez aussi