11 no sitrana tamin’ny aretina coronavirus, araka ny fanambarana ofisialy tamin’ity anio ity. Ny 10 tamin’izy ireo tao Morafeno Toamasina, 1 kosa teto Antananarivo.
19 kosa ny olona vaovao voa. Nahitana izany tao Fenoarivo Atsinanana, Toamasina, Moramanga, Amparafaravola, Andilamena, Antananarivo.
Araka izany dia mitontaly 845 ny isan’ireo voan’ity aretina ity hatrizay. 185 kosa no isan’ireo sitrana.
Miisa 654 kosa ireo mbola manaraka fitsaboana, ka niampy 1 ny atahorana.
11 954 no vita fitiliana
Miisa 11 954 no isan’ny olona rehetra voatily hatramin’izay.
Mitohy, noho izany, ny fanaovana izany fitiliana izany ary hihamaro izany noho ny fisokafan’ny laboratoara vaovao hafa. Eo koa ny fanadihadiana samihafa atao, satria efa fifindran’aretina avy amin’ny fifampikasohana no misy.
Eo rahateo koa ny olona mivezivezy izay tsy mahatsiaro tena mihitsy. Tahaka izany ny fisian’ny olona 3 mitondra tsimokaretina avy tao Toamasina ka nankany Soanierana Ivongo. Naverina tany Toamasina moa izy ireo.
Koa anisan’ny iharan’ny fitiliana, araka izany, ireo olona nifanerasera tamin’izy 3 ireo, ahazoana mamehy ny valanaretina tsy hihanaka ao an-toerana.
Sarontava
Mbola anisan’ny zava-dehibe iarovana ny tsi-fiparitahan’ity otrikaretina ity ny fihibohana an-trano. Tsy azo adino mihitsy koa anefa ny fanaovana sarontava satria tsy ho fantatra velively ny olona mitondra ny otrikaretina satria hita salama lalandava izy.
Ilaina indrindra ny mampitombo ny fitandremana, indrindra amin’izao vanim-potoan’ny ririnina izao, satria voalaza ho manome vahana ny tsimokaretina hatsiaka.
Raha misy moa ny ahiahy dia mila antsoina ny laharana 913. Ho an’ny fanontaniana samihafa kosa ny 910.


