CORONAVIRUS : 32 ny tranga vaovao androany

32 indray ny tranga vaovao nahitana olona mitondra ny tsimokaretina coronavirus, araka ny fanambarana ofisialy androany.

Ny 2 tamin’izy ireo dia tany Toamasina ary ny 11 kosa teto Antananarivo (Beravina Itaosy, Ambatomaro, Alakamisy Fenoarivo, Ampitatafika, Antsahavory Alakamisy, Vontovorona ary Manjakaray, Arivonimamo), 11 Taolagnaro, nisy koa ny tany Toliary.

Miisa 771 izany ny tontalin’ireo nitondra sy mitondra ny valanaretina teto amintsika hatrizay.

168 no isan’ireo sitrana satria niampy 3 izany tamin’ity andro ity.

597 kosa ny isan’ireo mbola tsaboina, izay mijanona ho 8 ihany ny manana toe-pahasalamana atahorana.

Mijanona ho 6 hatrany kosa ny isan’ireo namoy aina.

Mbola vitsy no voatily

Mitontaly 11 311 ny isan’ny fitiliana natao hatrizay. Azo lazaina ho vitsy ihany izany raha oharina amin’ny vitan’ny firenena afrikana hafa. Indrindra raha oharina amin’ny isan’ny mponina eto amintsika ihany koa.

Arakaraka ny hamaroan’ny fitiliana atao anefa no azo amaritana tsara ny fihanaky ny valanaretina na tsia.
Eo ampiandrasana izany anefa dia mila fitandremana lalina ny tsirairay ka mandray ny fepetra rehetra tokony harahina.

Ny tsapa anefa aloha hatreto dia ny fanaovana sarontava ihany no arahin’ny maro noho ny tahotra hamafa làlana. Tsy misy mihitsy kosa ny fitandremana ny elanelana iray metatra noho ny fisisihana sy filaharana taxibe, ny fiantsenana noho ny andro fety,….

Vous aimerez aussi