Vita ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fiofanana an’ireo vaomieran’ny fandriampahalemana miisa 80 lahy izay andiany voalohany ary taorian’ny fampiofanana dia notolorana mari-pankasitrahana izy ireo ary novatsian’ny delegen’ny Boriborintany faharoa atoa Rabemananjara Charmant d’Assise fitaovana. Ny kaomisarian’ny Boriborintany faharoa sy ny lehiben’ny distrika no nampiofana, fa ny solombavambahoaka Lanto Rakotomavo sy ny delege kosa no namatsy fitaovana azy ireo. Avy hatrany dia handray ny asany izy ireo ary hisandrahaka amin’ireo faritra mena tena hanjakan’ny tsy fandriampahalemana. Ka anisan’izany ny ao Mahazoarivo, Andohan’i Mandroseza, Ambohitsoa, Volosarika, Ambolokandrina, Manakambahiny ary Ambohipo, ireo no tena faritra hanjakan’izay tsy fandriampahalemana izay. Araka ny fanazavan’ny delegen’ny Boriborintany faharoa harany, dia nahavelombolo azy ireo ihany koa ny fihaonana tamin’ny vondron’ny mpitandro ny filaminana (zandary, polisy, miaramila) amin’ny fijerena manokana ity resaka tsy fandriampahalemana ity, ary vonona ny hanakaiky ny vahoaka ireto mpitandro ny filaminana ireto. Nisy ny atrikasa niarahan’ny delege sy ny mpitandro ny filaminana, ny lehiben’ny distrika, ny depiote ny alatsinainy lasa teo. Ho fiarovana ny olona sy ny fananany ka dia hiditra elakelan-trano ireto mpitandro ny filaminana ireto. Anisan’ny faritra mena faharoa amin’ny tsy fandriampahalemana ny Boriborintany faharoa, ka nanaovana izao atrikasa izao. Hanomboka amin’ity herinandro ity, izay fidinana ifotony izay, hoy ny delege. Farany, nilaza ny delege fa tsy anjaran’ny Boriborintany sy ny fokontany ny manome fahazoa-dalana na “construction” hanorana na/sy hanangana fotodrafitr’asa, fa anjaran’ny “Direction urbanisme” no manome izay alalana izay. Na izany aza anefa raha hanao fanorenena ny olona iray dia tokony manana taratasy mazava, dia misy mpiasan’ny Boriborintany manao fitsirihana ny toerana, na mety hanorenana na tsia fotodrafitr’asa ilay toerana. Nisy mantsy ny fandrodanana trano naorina tamin’ny sisin’arebe, ka voatery narodan’ny kaominina izany, satria tsy ara-dalàna ny fanorenena, hoy ny delegen’ny Boriborintany faharoa.


