BONGATSARA : Tsy ankasitrahan’ny mponina ny famindrana ny tobin-tsolika

Tsy mankasitraka ny famindrana ny tobin-tsolika eny Ankorondrano ho eny Bongatsara ny mponina eny an-toerana.

« Efa nilokaloka ny Fanjakana fa hanome tany ho an’ny Malagasy fa tsy haka ny tany eo am-pelatanan’ny Malagasy !», hoy ny fanambaran’ny solontenan’ny mponina. Kanefa ny mifanohitra amin’izany indray izao no mitranga.  Aiza indray izahay no hipetraka sy hamboly ?, hoy izy ireo.

Maro ny ahiahy

Maro ny ahiahin’ny mponina satria tsy lavitra eo  ny Lapam-panjakana, koa  raha misy ny loza mitranga, ho tonga hatrany ve ny fahavoazana ?

Eo ihany koa ny fambolena ataon’ny mponina eny an-toerana, izay ahiana ho hisy fahasimbana ka ilaina fijerena manokana ny vokatra avoakany.

Nametrahan’izy ireo fanontaniana ihany koa ny momba io orinasa io na tena ho tompon’ny tany na ho mpanofa ihany. Raha ho mpanofa dia ho firy taona ?

Ny tena mampitebiteby azy ireo dia ny mety tsy hizakany intsony  ny zo sy ny fisitrahana ny taniny, ka tsy hahazoan’ny taranaka  faramandimby io tany io intsony.

Tany 88 Ha

Tapaky ny filankevitry ny Minisitra farany teo moa ny hakan’ny Fanjakana tany eny amin’ity Kaomina Bongatsara, eny  Antananarivo Atsimondrano ity, mba hamindrana ny tobin-tsolika etsy Ankorondrano.

Tany mirefy 88 Ha no hiorenan’izany fotodrafitrasa vaovao izany, izay hahakasika ny Fokontanin’ Amboanjobe sy Ambohidrazana.

Raha ny fantatra dia ny isorohana ny loza mety hitranga no hamindrana ity « logistique pétrolière », izay miorina am-povoan-tanàna loatra ity.

Tamin’ny taona 2017 no efa nanohitra izao fananganana fotodrafitrasa izao ny mponina eny an-toerana ka natsahatra izany.

Amin’izao anefa dia efa tazana sahady ireo fiara vaventy mitaona ny fitaovana hanatontosana ny asa.

Mampalahelo, hoy ny mponina fa tsy miteny manoloana izao toe-javatra izao ny eo anivon’ny Kaominina.

Vina ho rava ?

Dia sanatria ve ho maty momoka sy ifandroritana tahaka ny Vina Tanà Masoandro eny Ambohitrimanjaka ihany koa ity tetikasa ity ?

Efa nisy ihany koa va re ny fandalinana nataon’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany ?

Ny ho avy indray no hamaly izany !

Vous aimerez aussi