BEN’NY TANANAN’ANTANANARIVO : Hanavao ny tsena ary hanampy ny sampana mpamonjy voina

Nidina ifotony nijery ny olan’ireo mpivarotra etsy amin’ny petite vitesse, androany, ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, Naina Andriatsitohaina. Nandritra izany no namaliany ny hetahetan’ireo mpivarotra ho amin’ny fanavaozana ny tsena, ny fiantsonan’ny fiara ary ny lafiny fahadiovana.

Hisy, araka izany, ny fanadiovana faobe hatao amin’ny tsena. Hisy ihany koa ny fampidirana ireo mpivarotra eny amoron-dàlan’ny petite vitesse ho ao anatin’ireo trano fivarotana efa vita eny an-toerana. Nomarihan’ny Ben’ny Tanàna fa vahaolana vonjimaika ihany ireo natolony ireo fa efa misy ny vahaolana maharitra, toy ny fanavaozana tanteraka ny tsena. Ity farany, izay tafiditra anatin’ny veliranon’Iarivo.

Mpamonjy voina vaovao

Nitohy teny amin’ny tobin’ny sampana mpamonjy voina Tsaralalana ny fitsidihan’Ingahy Ben’ny Tanàna. Nambarany fa hatao haingana ny asa fanamboarana ireo fiara simba. Nanolotra fiara iray tsy mataho-dàlana sy moto ihany koa izy.

Nambarany fa hisy ny fandraisana Mpamonjy voina vaovao miisa 100 izay hatomboka amin’ny 50 aloha. Tsy nohadinoiny ny nilaza fa amin’ny fomba mangarahara sy manaraka ny fenitra no hanaovana ny fifantenana ireo ho Mpamonjy voina vaoavao eto anivon’ny kaomina Antananarivo renivohitra ireo.  Ny antenaina sy irariana dia mba tsy ho kabary fotsiny ihany izany fa ho taratra amin’ny asa mivaingana tokoa . Efa miandrandra fatratra ilay fanovana sy fizorana any amin’ny fampandrosoana tokoa mantsy ny Malagasy, izay efa leo fampanantenana sy kabary ambony vavahady e !!!!

Vous aimerez aussi