Mirongatra any amin’ny disrikan’i Benenitra, ny aretina pesta kisoa, na ny ramoletaka. Tao anatin’ny herinandro dia kisoa an-jatony eo ho eo isan’andro no maty any an-toerana. Araka ny fanazavana voaray, dia mandalo fotoan-tsarotra ny mpiompy kisoa any Benenitra, satria fatiantoka goavana ho azy ireo, ity aretina “jambare” na ramoletaka ity, araka ny antso ataon’izy ireo. Vokany, voatery amidy mora ny kisoa velona, ka milatsaka hatrany amin’ny 5000 ariary ny kilao. Miantso ireo tompon’andraikitry ny ministeran’ny fiompiana, ireo mpiompy manoloana io aretina io ary hitondra vahaolana maharitra mba hisorohana ny voka-dratsy ara-tokarena. Na dia efa manao izay tratrany aza ireo mpitsabo biby any an-toerana dia tsy maharaka izy ireo noho ny hamaroan’ireo kisoa miaraka tratry ny valan’aretina pesta kisoa. Vakisiny amin’ny fanefitry ny biby no hangatahin’ireto mpiompy ireto amin’ny ministera voakasika, hoy ny hetahetan’izy ireo.


