BAKALOREA TEKNIKA : Mba asio « 2ème session » koa !

Mba asio fihodinana faharoa ihany koa na « 2ème session » ny baka teknika ! Hentitra ireo mpitsara ny fanadinana bakalorea teknika raha nanambara izany, teny Ankatso omaly.  Raha tokony ho nanomboka ny fitsarana ny taratasim-panadinan’ireo mpianatra izy ireo dia nanajanona izany satria mila voavaly aloha ny fangatahan’izy ireo. Ny anton’izao fangatahana izao, hoy ihany izy ireo dia ny mba hampitoviana lanja ny mpianatra rehetra na ny fampianarana ankapobeny na ny teknika.

Koa mba sarotiny sy te-hanome vahana ireo mpianany avy amin’ny teknika koa ireto mpampianatra satria ny fitovian-jo eo amin’ny tanora malagasy no tanjona.

Nilaza ny hitondra izao adihevitra izao eny amin’ny olona ambony mahefa kokoa moa ny tompon’andraikitra iray saingy tsy mbola nahazoana valin-teny hatreto.
Koa andrasan’izy ireo ny valin’ny fitakiany avy any amin’ny ministera tompon’andraikitra vao hiroso amin’ny  fitsarana izy ireo.

Vous aimerez aussi