BAKALOREA 2019 : Mitombo sy miha-lalina ny olana

Ny fivoahan’ny laza adina mialoha, ka namoahana ny laza adina fiandry. Ny fanaovana photocopie ny laza adina ka itondrana izany an-tànana tsy anaty valopy. Ny fahatarana manoloana izany, izay mitarika horohoro ho an’ireo mpiadina. Ny fahatrarana hariva kanefa tsy misy jiro. Ny tebiteby amin’ny fiara fitaterana,…

Izany no karazana olana mitranga amin’ity fanadinana bakalorea indray mitoraka ity. Ary tsy nijanona tamin’ny Faritra iray ihany izany fa nitatra tamin’ny toeran-kafa toa an’i Vakinakaratra, Boeny, rehefa niatomboka tany Toamasina sy Soanierana Ivongo, Sainte Marie,…ary nipaka hatraty Antananarivo.

Avereno ny fanadinana

Tsara kokoa raha foanana iny fanadinam-panjakana iny, hoy ny Seces Antananarivo ka ahemotra amin’ny fotoana izay mahamety azy. Ilaina ihany koa ny fanoloana ireo olona misahana ny laza adina ary arahi-maso tanteraka ny fomba fanapariahana izany, satria tsy mbola nisy tahaka izao teo amin’ny tantaran’ny fanadinana teto Madagasikara.

Miteraka fanehoan-kevitra samihafa eo amin’ny tsirairay ihany koa ity olan’ny fanadinana indray maka ity, satria tsy te-hamerina izany fanadinana izany ny mpiadina nahatsapa fa nety sy nahapo azy ny nataony. Ny hafa kosa anefa dia te-hanao ny mifanohitra amin’izany, ka te-hanarina ny tsy nety vitany.

Aoka ho tony

Manoloana izany zava-misy izany no nanaovan-dRamatoa Minisitra antso avo mba ho tony.
Asa na ho tony manoloana izao ny mpiadina sy ny ray aman-dreny na ahoana. Tsy fantatra ihany koa hatreto izay vokatry ny fanadihadiana hamantarana izay fototr’izao fivoahan’ny laza adina mialoha izao. Ny azo antoka aloha dia tsy ho tony ny mpiadina mandrapivoakan’ny valim-panadinana sy izay mety ho fanapahan-kevitry ny Fanjakana. Ny afaka moa dia arahaba soa arahaba tsara. Ny tsy afaka kosa dia manan-kambara sy fialana tsiny betsaka manoloana ny zava-nitranga.

Vous aimerez aussi