Hitondra fanampiana ara-bola sy ara-teknika ho an’i Madagasikara ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola amin’ny fiarovana ny ala voajanaharin’Ankarafantsika. Ny tolakandro teo no tontosa ny dinika nifanaovan’izy ireo tamin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, amin’ny maha-minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana azy.
Nisy ny fepetra efa noraisin’ny fanjakana manoloana ity doro tanety ity saingy hamafisina izany mba hiarovana bebe kokoa hatrany ny tontolo iainana.
Anisan’izany indrindra ny alan’Ankarafantsika, ka hanentanana ny mponina manodidina satria zava-dehibe ny fanentanana ny olona eny ifotony. Hisy koa ny fanadihadiana amin’izay toerana nihavian’ny afo, tamin’ny fisian’ny fandoroana farany teo. Ary nisy aza ny fandefasana mpitandro filaminana izay nantsoina mba hamono ny afo sy hiaro indrindra koa izany alan-javaboahary izany.
Manomboka izao dia ho mafy ny sazy hihatra amin’ireo tratra mandoro tanety satria anisan’ny imatimatesana, tsy eto amintsika ihany fa maneran-tany mihitsy ny fikojana ny ala sy ny tontolo iainana.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

