ASSOCIATION GASY KARANA AO BOENY : Nanolotra vary 15 taonina sy savony 375 baoritra

Amin’izao fihibohana an-trano izao, izay niampy 15 andro dia nivondrana ao anatin’ny “Comité 5”, ireo mpandraharaha karana mipetraka ao amin’ny faritra Boeny, ka nanolotra vary 300 gony na 15 taonina, savony 375 baoritra hanampiana ireo olona sahirana, marefo ara-pivelomana sy ny zokiolona, ny fikambanana Gasy Karana ao Boeny. Ny sabotsy lasa teo no nanoloran’izy ireo ny fanampiana, ka ny Ben’ny tanànan’i Mahajanga sy ny lehiben’ny faritra mpisolo-toerana no nandray an-tanana ny fanampiana. Nilaza ny mpitondra tenin’ny fikambanana Gasy karana, atoa Ganivalah, fa nandritry ny 5 taona no nizara sy nanome sakafo olona isaky ny fokontany ny fikambanana ary nandritry io taona io no nanaovan’izy ireo ny fanohanana sy fanampiana ara-tsakafo, fitafiana, hena, sns, ireo marefo ara-pivelomana. Voalazan’ity mpitondra teny ity, fa olona 100 isaky ny fokontany no mahazo ny fanampiana omen’izy ireo hatramin’izay. Miditra amin’ny andro ririnina isika, ka eo ihany koa ny fanomezana azy ireo lamba sy fitafiana mafana. Amin’izao fisian’ny valan’aretina coronavirus eto amintsika izao, dia manaraka ny toromarika rehetra omen’ny fanjakana ny fikambanana ary manohy hatrany ny fanampiana ara-tsakafo izay ataon’ny “Association Gasy Karana”. Araka ny fantatra dia mbola “Zero Cas” i Mahajanga amin’izao ary tsy misy ny soritr’aretina any Boeny, hoy Ganivalah. Midera ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny tsy hiparitahan’ny coronavirus ny fikambanana. Marihana, fa hatao mangarahara ny fizarana ireo fanampiana ireo ary raha lany dia vonona ny hanohana sy hanampy hatrany izy ireo, hoy ny tatitra voaray.

Vous aimerez aussi