ARETINA CORONAVIRUS : Olona 58 no voa, 13 taona ny kely indrindra

Araka ny tatitra nataon’ny filohampirenena ny alin’ny alarobia lasa teo, dia tafiakatra 58  no isan’ireo olona mitondra ny valan’aretina coronavirus eto amintsika. 13 taona kosa ny kely indrindra amin’izy ireo, hoy ny tatitra nataony. Araka ny nambarany, dia ilay “cas contact” no mahatonga ny fihanak’ity aretina coronavirus ity,  ka antony nahatonga ny filohampirenena nanentana sy nanao antso avo amin’ny vahoaka Malagasy, fa tokony hanaraka ireo fepetra rehetra napetraka isika, hoy izy. Nilaza ihany koa ny filoha, fa tokony hivavaka isika mba tsy hiparitahan’ity valan’aretina ity, fa ny vavaka sy ny finoana ihany no fitaovana hiadiana amin’ity aretina ity tsy hiparitaka.

Efa arahimaso ary manaraka fitsaboana sy misitraka fanafody kosa ireo olona ireo, hoy hatrany ny filohampirenena. Rahampitso zomà no hifarana ny 15 andro napetraky ny filoha, ka eo no hanao  “bilan” ny fitondram-panjakana, ka handraisan’izy ireo indray ny fepetra vaovao mety hampiharina amin’ny manaraka.

Vous aimerez aussi