Tena manimba ny tontolo iainana tanteraka, raha ny vovo-paraky sy ny setroka avoakan’ny orinasa “Paraky Mpanaranto”, ao amin’ny fokontany Mahafaly, distrikan’Antsirabe voalohany, faritra Vakinankaratra. Miaina ao anatin’ny fofona tanteraka ny mponina, ka maro amin’ireo zaza amam-behivavy no sempotra sy marary vokatr’izany. Voalazan’ireto fokonolona nitaraina ireto, fa mandoro paraky ny orinasa, dia mitoto izany ary atao anaty “sachet” ny vovony (ndlr : mise en sachet), dia misy kamiao mitaona ireo paraky efa vita ary mivarotra izany any atsimo. Voalazan’izy ireo, fa tsofin’ny rivotra ny vovoka, dia miparitaka manodidina ny tanàna iray manontolo. Efa naharitra aman-taonany ireto mponina no nipetraka teo amin’ity toerana ity ary niaina an’izany nandava-taona. Tamin’ny voalohany, mpanao tavoahangy ary manangona tavoahangy plastika no asan’io orinasa io, avy eo nanao paraky sy nanao trondro ary nanondrana izany. Nambaran’izy ireto, fa tsy misy ora ny fotoana totoin’io orinasa io ravi-paraky. Araka ny fanazavan’izy ireo anefa, dia ao anatin’ny herinandro mody mijanona tsy manodina paraky ilay orinasa, tsy mandoro bozaka, fa aorian’izay dia miverina manao ny ataony indray. Nisy ny fanangonan-tsonia nataon’ny fokonolona mba hanalana io orinasa “Paraky Mpanaranto” io ary efa nalefa tany amin’ny fokontany izany, saingy, tsy nisy valiny hatreto ny fangatahana. Efa in-telo, hoy ny fanazavan’ireo fokonolona no nanao izay fitarainana izay, fa tsy nisy nihaino. Tsy maha-tamana mpanofa trano koa io setroka sy fofona avoakan’ny “cheminée”- n’io orinasa io, hoy ireo mponina. Vadin’ity ramatoa iray no nitaraina, fa anisan’ny maty noho izay fofona sy fahasemporana tsy zakany izay. Nisy koa ireo narary. Raha misy fanjakana mijoro eto, mba jereo io olana sendrain’ny mponina ao Mahafaly io, fa lany aiky hatramin’ny sefo fokontany izay nandefasana fitarainana. Foano ny fisian’izany orinasa “Paraky Mpanaranto” izany ary aoka hodiovina ny tontolo iainana, fa manimba ny manodidina ny vovo-paraky mavo sy ny setroka mainty avoakany, hoy ny hetahetan’ireto fokonolona ireto. Marihana, fa tokony afindra 10 na 20 kilometatra miala ny tanàna io orinasa io, hoy ny tatitra voaray.


