“Fanjakana tan-dalàna antoky ny fampandrosoana”. Io no lohahevitra nobanjinin’ny antoko Hery Vaovao ho an’I Madagasikara (HVM), tetsy amin’ny Carlon Anosy, ny tolakandro teo, nandritra ny fihaonambe sy loabary an-dasy nataon’izy ireo.
Feno fandikan-dalàna sy fanitsahana Lalampanorenana
“Endrika fandikan-dalàna, fanitsakitsahana ny Lalampanorenana”. Ireo no misongadina nandritra ny herintaona mahery nitondran’ny filohampirenena Andry Rajoelina, hoy ny antoko HVM. Vokany, miha mahantra i Madagasikara ary tsy mizotra ho amin’ny fahatsarana ny sosialim-bahoaka. Vonona hijoro hilaza ireo tsy mety sy hamotsipotsitra ireo endrika fandikan-dalàna maro misy ankehitriny sy ny fanitsakitsahana ny Lalampanorenana, araka izany, ny antoko Hery Vaovaon’I Madagasikara,izay najoron’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Nanterin’ireo mpandray anjara tamin’ity fihaonambe ity fa ho nofy fotsiny ihany ny fampandrosoana raha toa ka mbola manjaka ny tsy fanarahan-dalàna, ny fanitsakitsahana ny Lalampanorenana ary ny endrika fanamparam-pahefana ataon’ireo mpitondra sasantsasany ankehitriny. Nazava rahateo ny fehinkevitra noraisin’ny antoko HVM fa ho mpanohitra hitondra vahaolana ary ho arofanina tsy handehanan’ny mpitondra any amin’ny tany tsy tan-dalàna sy hanjakan’ny gaboraraka tanteraka izay tsy hiteraka vokatsoa ho an’ny vahoaka Malagasy izy ireo. Ny hirariana dia mba hahay haka lesona sy hihaino izay ambaran’ny mpanohitra sy ireo tsy mitovy fomba fijery aminy ny mpitondra ankehitriny. Tsy nitondra soa tokoa mantsy ny fanaovana be marenina sy ny maso be tsy mahita nataon’ireo mpitondra nifandimby teto hatramin’izay. Mbola tsy diso aoriana “tara” rahateo raha izao no manokatra varavaram-be ho amin’ny fifampiresahana sy fifampidinihana ahafahana miroso tokoa ho amin’ny tena fampandrosoana izao fanjakana mijoro izao. Mila fanetretena lehibe anefa ny ahafahana manatanteraka izany. Ampandefero àry ny hambom-po diso toerana ahafahana mibanjina miaraka ny tombontsoam-pirenena e !!!

