Antoko AVI : hiatrika ny faha-30 taonany. Io no lohahevitra hanompanan’ity antoko ity ny fihaonambe nasionaliny ho tanterahany ny zomà faha-24 janoary ho avy izao, araka ny fampahafantarana natao io maraina io, tetsy amin’ny Carlton Anosy.
Milaza ny hibanjina ny fampandrosoana an’i Madagasikara ity antoko ity, amin’izao faha-24 taonany izao ary antoko hanohana ny fitondrana.
Marihina moa fa manana Ben’ny Tanàna 80 sy Mpanolotsaina 230 ny antoko AVI, amin’izao fotoana.


