Nisokatra ny talata 5 may lasa teo, ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena amin’ity taona 2020 ity. Fivoriana notanterahina teny amin’ny CCI Ivato ho fanajana ny hamehana ara-pahasalamana, mba tsy hisiana fifampikasohana ary fanajana ny elanelana 1 metatra amin’ny samy olona. Haharitra 60 andro ny fivoriana araka ny voafaritry ny andininy faha-75 amin’ny Lalàmpanorenena, ka hifantoka amin’ny fandaniana ny teti-bolam-panjakana hasiam-panovana. Eo ihany koa ny volavolan-dalàna mikasika ny «Agriculture biologique», ny fankatoavana ireo hitsivolana laharana faha 001-2020, ny fifidianana izay ho solon’ny toerana banga ao amin’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI, araka ny nambaran-dRazanamahasoa Christine tamin’ny lahateny nataony nandritra ny lanonam-panokafana.
Tsiahivina fa niala na/sy nesorina tamin’ny toerany ny Filoha Lefitry ny CENI teo aloha Atoa Thierry Rakotonarivo taorian’ny fanambarany nanabaribary ireo anarana miverin-droa tamin’ny lisi-pifidianana sy ny karapanondrom-pirenena miverin-droa, izay nampiozongozona tanteraka ny fahefam-panjakana noho ny fiheverana, fa nisy lalao maloto ny fifidianana nahalany ny Filoha Andry Rajoelina sy ny olom-boafidy maro.


