ANTENIMIERAM-PIRENENA : Niara-nirona tamin’i Christine Razanamahasoa ny depiote

Voafidy ho filohan’ny Antenimieram-pirenena i Christine Razanamahasoa, omaly. Nandresy tamin’ny isa mavesatra dia mavesatra izy, satria nahazo vato 100%.

Tsy dia nahataitra ny maro loatra izany vokatra izany satria ao amin’ny vondron’antoko IRD, izay maro an’isa ity solombavambahoaka voafidy tao Ambatofinandrahana ity.
Ny depiote 147, izay tonga nifidy tamin’ireo 151 dia nandatsa-bato ho azy avokoa. Izy rahateo no hany kandidà tokana tamin’izao fifidianana izao, ka rariny raha tafapetraka ho filohan’ity andrimpanjakana ity ny tenany. Nandany azy na dia ny antokon’ny mpanohitra azy, araka ny fanambarana avy amin’i Me Hanitra Razafimanantsoa fa noho ny tombontsoam-pirenena no nifidianana azy. Ary ny fanoheranana araka ny lalàna no atao fa tsy fanoherana bontolo akory. Ilaina rahateo ny fampanjakana ny demokrasia, hoy izy, ka ilaina ny fahaizana  mifampihaino sy mifampitsikera.

Fifanakalozan-kevitra

« Omena laka ny fifanakalozan-kevitra sy ny fanajana ny hevitra tsy mitovy mba iantohana ny fampandrosoana », hoy kosa ny filohan’ny Antenimieram-pirenena vao voafidy. Manoloana izany no hisitrahan’ny rehetra ny fandrosoana, hoy ihany izy, ahazoana manara-maso ny asan’ny governemanta eny anivon’ny distrika.
Nambarany fa ho andrimpanjakana matanjaka sy mendrika ary manaraka ny toetrandro ny Antenimieram-pirenena. Hanjaka ao ny fifanajana ara-kevitra, hisy ny fanatsarana izay hipaka any amin’ny rafitra rehetra.

Omeo fitaovana

Nahazo tehaka nirefodrefotra ity Filohan’ny Antenimieram-pirenena raha nanao antso avo ny amin’ny tokony hanomezan’ny governemanta fitaovana ny Antenimiera izy. Fampanantenana efa nataon’ny Filoham-pirenena izany, hoy izy, ka tazominay amin’ny teniny izy.
Nanteriny fa hivoy ny firaisankina izy, hijoro amin’ny fahazotoana sy ny farisihana ka hampiroborobo ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Vous aimerez aussi