Mirongatra ny tazomoka ao Ankazobe ankehitriny. Manoloana izany, misy ireo misandoka ho mpitsabo ka sahy manindrona olona mihitsy any ambanivohitry ny distrikan’Ankazobe. Efa nisy ny fepetra noraisina toy ny fizarana ireo lay misy odimoka saingy tsy nampiasain’ireo mponina ho amin’izany izy ireny fa natao ho fakana pirina sy fisakana trondro. Vokany, tsy voaro intsony amin’ny kaikitry ny moka mpitondra ny tazomoka ny ankamaroan’ireo mponina any ambanivohitr’Ankazobe.
Vanimpotoana mampirongatra ny tazomoka ny misy antsika ankehitriny, hoy ity mpitsabo iray any an-toerana koa mila mailo ny rehetra manoloana ny mety ho fipariahany. Efa nandefa mpitsabo any Ankazobe ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalam-bahoaka ahafahana mifehy ny mety ho fipariahan’ny tazomoka. Nohatevenina ihany koa ny fanentanana ireo mponina hampiasa ny lay misy odimoka ary hanatona avy hatrany ny toeram-pitsaboana raha vao ahitana ny soritraretina tazomoka ahafahana mitondra fitsaboana haingana.


