ANJANAHARY AFOVOANY : Ilana fepetra haingana ny fihotsahan’ny sisin-dalana

Mihotsaka ny sisin-dàlana. Ahiana tanteraka ny fitaran’ny faharavan’ny trano hazo manamorana ny arabe. Toe-java-misy etsy Anjanahary afovoany izany, io maraina io, noho ny sisin-dàlana efa mivava vokatry ny ranon’orana nisesy teo iny.

Efa mikisaka ny trano iray noho ny fotony efa nihotsaka tanteraka. Ahiana hihatra amin’ireo trano hafa koa ny fahavoazana.

Ny faraparan’ny taona iny no nanavaozan’ny orinasa Colas ny rarivato eny an-toerana. Tsy natao kosa ny fanavaozana ny mifanitsy ity trano ity, ka izao nitranga izao ny fahavoazana.

Ilaina noho izany ny fandraisan’ny tompon’andraikitra fepetra haingana mikasika ity toerana ity, satria atahorana hitatra hatrany amin’ny arabe, izay vao navaozina koa ny fahavoazana ka mety hiteraka ny fahapatapahan’ny làlana tanteraka.

Mila tohizana ny rarivato

Vous aimerez aussi