ANDRO RATSY : Namoy aina 5, tsy hita popoka 22, traboina 40.193

Olona 5 no namoy ny ainy, 22 kosa no tsy hita popoka ary 40.193 ireo traboina. Ireo no tatitra vonjimaika avy amin’ny Birao misahana ny voina voajanahary (na ny BNGRC), nandritra izay fisian’ny andro ratsy nitondra orana betsaka manerana ny Nosy izay.

Saika ny Faritra rehetra

Saika nahitam-pahavoazana avokoa ny Faritra rehetra, ka nahatonga izao taheri-marika ho ambony izao.

Anisan’ny voa mafy tamin’izany ny Faritra Sofia, izay misy traboina 18 900. Ny tao Alaotra Mangoro 11 312. Ny Faritr’i Boeny 8 049. Melaky 800. Betsiboka 753 ary ny Faritra Analamanga 379.

Amin’ny maha tatitra vonjimaika azy dia mbola mety hisy ny ankoatra ireo, izay mbola eo am-panangonana azy ny tompon’andraikitra isam-paritra samihafa.

Betsaka ny foto-drafitrasa simba

Tapaka ny làlam-pirenena faha-4

Ankoatra ireo traboina dia tsy vitsy koa ny foto-drafitra simba, toy ny trano sy ny làlana ary ny fihontsahana samihafa. Misongadina indrindra amin’izany ny fahasimban-dàlana amin’ny làlam-pirenena faha-4 sy faha-6 iny.

Nisy moa ny sidina tamin’ny angidimby nataon’ireo tompon’andraikitra ny fiandohan’ny tolakandro io ka avy amin’izany no amaritana ny fahavoazana nitranga. Arahin’ny fivoriana izay hatao ao Mahajanga izao tolakandro izao izany, ahitana ny refin’ny fahasimbana sy hakana fepetra amin’izay fanorenana tokony hatao.

Vous aimerez aussi