ADY AMIN’NY KOLIKOLY : Tsy fanta-pihaviana ny vola nanaovana propagandy dia nihemotra isika

Nihemotra i Madagasikara satria faha-158 amin’ny firenena 180 ny toerana misy antsika raha eo amin’ny sehatra iadiana amin’ny kolikoly. Fantatra io, araka ny tatitra 2019 navoakan’ny Transparency International, io maraina io.

24/100 no naoty

24/100 araka izany no mba naoty azon’ny Malagasy tamin’iny taon-dasa iny, ka ny sehatra teo anivon’ny fifidianana no azo lazaina ho tsy nahazoantsika naoty tsara.

Fotoana nampiasam-bola tsy fanta-pototra mazava manko no nahatonga izao toerana ratsy izao. Tsy nahazoana valiny mangarahara ny fanontaniana  momba ny famatsiam-bolabe nampiasain’ireo mpanao politika tamin’iny fifidianana Filoham-pirenena iny.

Tsy nisy afa-tsy olona 6 tamin’ireo kandidà 36 no mba namaly ny fanontaniana. Amin’izay ireo kandidà avy amin’ny antoko kelikely. Ireo azo lazaina ho kandidà goavana, toy ny Filoha ankehitriny kosa dia tsy namaly izay loharanom-bola nampiasainy.

Noho izay tsy fahampian’ny mangarahara izay no nampihemotra ny laharantsika.

Ilaina ny fangaraharana

Singa voalohany amin’ny fahazoana naoty tsara ny fangaraharana. Eo ihany koa ny tamberin’andraikitra rehefa tonga eo amin’ny Fitondrana.

Anisan’ny fahazoana naoty tsara koa anefa ny fifandraisana mitohy eo amin’ny mpitondra sy ny olom-pirenena. Tsy misy izany loatra eto fa mandritra ny fampielezan-kevitra ihany vao misy ny tena fihaonana amin’ny vahoaka.

Misy singa 8

Singa 8 no hanaovana ny fanadihadiana amin’ny fanomezana naoty tahaka izao. Anisan’izany ny mikasika ny lalàna, ny demokrasia, ny toekarena,… Saingy ny sehatra politika  no nofidiana ho nanaovana ny fanadihadiana manerana izao tontolo izao, amin’ireo firenena 180 maneran-tany.

Tsy fantatra ny vola hoe avy aiza. Eo ny fanambazana ny mpifidy, ny tsolotra samihafa. Ny fanohanan’ny mpandrahara ny mpitondra. Misy tambiny anefa zany rehefa lany ka mitondra ilay kandidà.

Koa ahiana amin’izany ny famarotana an’ilay firenena, toa an’ity Madagasikara ity.

Tsy ny Malagasy ihany anefa fa ny firenen-drehetra maneran-tany no vonona hiady amin’izay toetra ratsy politika izay.

Ohatra amin’izany ireny fanondranana «  bois de rose » ireny. Misy olona mpiaro azy any dia tsy migadra mitsy izy ka mitohy hatrany ny halatra fanaony.

Miankina amin’ny mpitondra

Miankina tanteraka amin’ny fahitsian’ny mpitondra, araka izany, no maha tsara na tsia ny naoty tokony ho azon’ny firenena iray.

Mba malaza tsara amin’ny sehatra maro ihany i Madagasikara, raha tsy hilaza afa-tsy ny sehatry ny fanatanjahantena sy ny fizahantany. Saingy efa potik’ity fitiavam-bola diso tafahoatra ity ny mpitondra sasany ka ny firenena manontolo no ratsy toerana nefa tokony ho nahazo naoty 50/100.

Vous aimerez aussi