AMBOHITRIMANJAKA : Tsy manaiky ny fanotofana tanimbary koa ny Ben’ny tanàna

Tsy ekena ny tetikasa fanotofana tanimbary. Manohana ny mponina ao aminy amin’izany koa ny Ben’ny tanàna. Ny Filoham-pirenena anefa mikasa ny hiresaka mivantana amin’ny vahoaka.

Mbola ao anatin’ny savorovoro lalina, araka izany, ny Tanà Masoandro, tetikasan’ny Filoham-pirenena.

Tsara ny voka-bary

Fotoan’ny famasahan’ny vary izao ka anisan’ny efa mampiakatra ny vokany ny tantsaha eny Ambohitrimanjaka. Na teo aza ny rano diso tafahoatra dia tsy nahakivy ny mpamboly eny an-toerana izany, raha ny voly vary no asian-teny, satria tsy voakasik’izany loatra ny eny an-toerana.

Mainka aza tsara ny vokatra, hoy ny mpamboly maro, tamin’ity taona ity. Dia araraotina ny fikarakarana izany satria miantoka ny fivelomana manontolo io.

Ankoatra ny hatao sakafo andavanandro dia tsy vitsy ny mivarotra ny ambimbavany mba ho saram-pianaran’ny ankizy, izay aloa indray mandeha ao anatin’ny taona.

Manoloana izany dia mandà hatrany ny tetikasa hanotofona ireo tanimbary ny mponina, indrindra amin’izao fahitana ny fahatsaran’ny  vokatra izao.

Tsy manaiky koa ny Ben’ny Tanàna

Manantitra izany ny Ben’ny Tanàna vaovao, fantatra amin’ny hoe Zazà, izay efa niray feo tamin’ny mponina hatrizay fa tsy mankasitraka ny fanotofana kasaina hatao eny. Na izany aza, tsy mpitari-tolona amin’ny fanoherana ny vina kasain’ny Fitondrana izy fa naka ny hevitry ny vahoaka ao aminy kosa aloha.

Tsy mandà ny fandrosona tian-katao eto an-drenivohitra ny Ben’ny Tanàna sy ny vahoaka, saingy mandà ny fanotofana ny tanimbary.

Misy mponina 43.000 ao Ambohitrimanjaka, hoy ny Ben’ny Tanàna, ka ny 90%-n’ireo no miaina amin’io tanimbary io.

Mandritra ny 10 volana ao anatin’ny taona, izay maharitra ny rano,  no misitraka io tanimbary io ny vahoaka. Ao amin’io ny fambolem-bary, ny fiompiana trondro, ny biriky,…

Miara-miasa amin’ny Fitondrana

Ben’ny Tanàna voafidy tamin’ny alalan’ny antoko TIM i Zazà, kanefa tsy hanakana ny fiarahany miasa amin’ny Fitondrana izany, amin’ny lafiny rehetra. Ato anatin’ny firenena Malagasy Ambohitrimanjaka, hoy izy. Tsy misy, noho izany, ny kaomina iray hiala amin’ny fampandrosoana ny firenena iray izany, satria tsy Fanjakana mizaka tena Ambohitrimanjaka.

Vous aimerez aussi