Efa niarahantsika rehetra nahalala sy nahafantatra fa nofoanan’ny fanjakana misy amin’izao fotoana izao ny « Office Malagasy du Cinema et de l’Image Animé» (OMACI) ary tena nampalahelo ny niafaran’izany satria dia niafara tamin’ny fanidiana ny biraon’ny tale jeneralin’ny OMACI (fanaovana « scellage ») izany, izay notarihin’ny Tale Jeneralin’ny kolontsaina eo anivon’ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny fampahalalam-baovao dia Atoa Françis RAZAFIARISON izany izay mpilalao sarimihetsika ihany, maro ny mahatsiaro tena ho voafitaka tao anatin’izao rehetra izao amin’ny tatitra avy amin’ny Talen’ny OMDA sy ireo mpiara miasa aminy, izay nakatoavin’i Minisitra.
Raha hiverenantsika kely ny toe-javatra (tantara) dia toy izao :
Ny jolay 2016 no lany (tapaka) teo anivon’ny fivorian’ny Antenimiera tamin’izany ny lalàna manangana sy mifehy ny OMACI tao aorian’ny ezaka nataon’Atoa tale jeneraly sy ireo mpisehatra maro : mpamorona, mpilalao sarimihetsika, mpamokatra…. Izay nialohavan’ny fakana hevitry ny maro teny ifotony, nisy ny fivoriana niantsoana (nanasana) ny mpisehatra rehetra tsy ankanavaka, ary betsaka no tonga tamin’izany.
Lasa sakana sy niray tendro ireo natahotra ho very tombotsoa amin’ny fitsanganan’ny OMACI , anisan’ireny Atoa Haja RANAJARIVO izay talen’ny OMDA(Office Malagasy du Droit d’Auteur)
.Nandritra ny nitantanan’Atoa Haja RANJARIVO ny OMDA (efa ho 16(enina amby ny folo taona) ngarangidina ) dia azo hambara tsy ampisalasalana fa nitontongana ny OMDA, ohatra mivaingana amin’izany ireto :
-Fampiakarana ny taonan’ireo artista mandray fisotroan-dronono ho 60 (Enimpolo) taona raha 55 (Dimy amby dimampolo) taona izany teo aloha.
-Ny tsy fisian’ny teti-bola hiadiana amin’ny mpanao hosoka sy hosoka (piraty) sy ny tsy fananana tetika mazava hiadiana amin’izany.
Izany rehetra izany dia ny fitontongan’ny vola miditra ao amin’ny OMDA vokatry ny tsy fisian’ny pôlitika sy tetika mazava hoentina mampandroso sy mampiroborobo izany. Tsy very anjara ihany koa ny tsy fangaraharahana amin’ny fitantanana ary ny paik’ady izay azoan’ny olom-bitsy tombotsoa eo anivon’ny OMDA.
Vokatr’ izany tsy fahaiza-mitantana, gaboraraka sy tandra-metaka sy fanavakavahana ary fiarovana ny tombotsoa manokana , ny fanakanana ny OMACI (Office Malagasy du Cinema et de l’Image Animé) izay hambara etoana fa sehatra tena ilain’ny mpisehatra ny sarimihetsika tokoa.
Atoa Haja RANJARIVO dia miady mafy amin’ny fanakanana ny OMACI satria heveriny fa hifaninana aminy OMDA .
Marihina etona fa samy anana ny andraikiny ny OMACI sy ny OMDA ary ny firenena lehibe rehetra toa ny Frantsa; Algerie; Afrique du Sud, Burkina Fasso… dia samy hafa ny “Office”misahana ny zon’ny mpamorona (droit d’auteur) sy ny sarimihetsika (cinema).
Ankehitriny dia maro amin’ireo misahana ny sary mihetsika no manotany tena amin’ny hiafran’ny zo tokony anana’izy ireo, ary ny eo anivon’ny Fitondrana ankehitry fihainoana feon-dakolosy tokana sa fanarahana rivotra eo amin’ny manodidina azy?


