Mihatra ny jadona. Miasa ny herim-pamoretana, mandatsa-drà hanapotehana ny hetahetam-bahoaka entinareo kandidà 11 mirahalahy. Mpitarika tokoa ianareo fa tsy miafina, na mamporisika ny olona fotsiny.
Hatramin’ny alatsinainy ianareo no niroso, entanin’ny fitiavan-tanindrazana sy ny fahavononana hitaky ny rariny sy hitsiny. Nirotsaka ny vahoaka nitombo isa hatrany, satria mahatoky ny mpitarika azy. Tsy mitsaha-mitombo isa ny olom-pirenena vonona hiaraka aminareo. Izany no maha-romotra ny fitondrana ka hampiasany habibiana : mandratra, toa mifofo ny ain’ny kandidà mihitsy, sy ny olon-tsotra entanim-pinoana.
Mifoha ny Malagasy, leon’ny lainga miavosa, leon’ny fahantrana. Sahy mijoro satria manana anareo 11 mirahalahy itokisany, hanafaka ny firenena teo ambany vahohon’na mpitondra nanary ny zom-pirenena maha-malagasy azy.
Adinon’ingahy Rajoelina ny fifampidinihina tamin’ny taona 2018 nandaminana ny toe-draharaha : satria nentanin’ny fihavanana sy ny hasina repoblikana ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Tsara ampatsiahivina izany satria eo am-bavaloza ny firenena ankehitriny.
Tsy eken’ny saina aman’eritreritra raha toa ka olona tsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy no mbola mandrahona, toy ny baiko nipoiran’izao habibiana izao.
Fampisaraham-bazana izany, toy izay nataon’ny mpanjanaka fahiny ka nahatonga ireo raiamandrenintsika nanerana ny Nosy nijoro nanohitra, namoy ny ainy ho an’ny Tanindrazana.
Ny herin’ny fandavatena sy fanolorana ny ainy nataon’ireo raiamandrenintsika ireo no fantatray fa ijoroanareo 11 mirahalahy : mahatoky izahay manana anareo mitarika.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

